Nitatitra ny dian’izy ireo tany Afrika Atsimo, ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny sabotsy 17 janoary 2026 lasa teo. Voaresaka tao anatin’izany ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fihaonana an-tampon’ny Brics.
“Fitsidihana arakasa no natao tany, nisongadina tamin’izany ny fihaonany tamin’ny filohan’i Afrika Atsimo, Ramaphosa Cyril “, hoy ny filohan’ny fanavoazana ny Repobikan’i Madagasikara, kolonely Randrianirina Michaël, ny asabotsy teo, rehefa tafaverina an-tanindrazana izy sy ny delegasionina niaraka taminy. Maro ny lohahevitra nodinihina nandritra izany. Anisan’izany ny fangatahana fanampiana hanalana ny sazin’i Madagasikara eo anivon’ny Vondrona afrikanina. Fanekena ny fandraisana an’i Madagasikara ho mpiara-miombon’antoka sy handray anjara ao anatin’ny fihaonana an-tampon’ny Brics atao any Inde, amin’ny volana jona sy jolay hoavy izao, ihany koa. “Voaresaka tany ny fitadiavana vahaolana hirosoana mankany amin’ny Repoblika fahadimy sy ny fanolorantsika masoivoho vaovao any an-toerana”, hoy izy.
Nihaona tamin’ireo mpandraharaha
Ankoatra izay, nihaona tamin’ireo mpandraharahara any an-toerana ihany koa ny filohan’ny Fanavoazana ny Repobika. Anisan’ny voaresaka ny fomba hamelomana indray ny orinasa Sirama. Teo koa ny momba ny fanamboaran-dalana sy ny fanokafana ny lalana mankany Maintirano. Nambarany fa efa misy ny orinasa vonona ny hisehatra amin’ny fifandraisan-davitra hoavy eto Madagasikara. Mba hanamorana ny dingana rehetra sy ny fanovana ny lalàna hisian’ny fifaninanana eo amin’io sehatra io, hialana amin’ny ampihimamba tsy hahafahana mampidina ny saran’ny internet izany. Nodisoany ny filazana fa nandeha tsy an-kiteniteny tany Afrika Atsimo ny tenany. Nohamafisiny fa nisy delegasionina sy minisitra nanatitra azy tany. “Lasa resaka mampihomehy fa tsy mampandroso an’i Madagasikara no hita ao amin’ny facebook” hoy izy. Raha tsiahivina, efa tany amin’ny taona 1994 no nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny firenena roa tonta ka izao nohamafisin’ny Filohan’ ny Fanavaozana ny Repobika izao.
Mino




