Hivoaka amin’ity herinandro ity ny tetiandrom-pampianarana vaovao nasiam-panitsiana. Iarahan’ny minisitera maromaro sy ny sekoly tsy miankina ny fanitsiana izany.
Miaiky ny fahadisoana sy ny fitarazohana amin’ny fandraisana andraikitra ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena momba ilay tetiandro diso nivoaka sy niparitaka niteraka resabe ny herinandro teo. Nambaran’ny tomponandraikitra fa olona tao amin’ny minisitera, nitazona andraikitra teo aloha ary efa nesorina, no namolavola iny tetiandro iny ka nivoaka tsy nahy tao amin’ny pejin’ny minisitera.
Voalaza fa hivoaka amin’ity herinandro ity ny tetiandrom-pampianarana vaovao nasiam-panitsiana ka io no tena manan-kery sy arahin’ny rehetra. Tetiandro niaraha-nidinika mikendry ny marimaritra iraisan’ny rehetra no hivoaka mba ho tombontsoan’ny mpianatra sy ny fampianarana. Mandalo an-tanantohatra ny volavolan’ny tetiandro izay vao miditra amin’ny fanapahan-kevitra ka heverina ny hivoahan’izany amin’ity herinandro ity.
Ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny Fampianarana teknika ary ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa miaraka amin’ny sekoly tsy miankina no namolavola ny tetiandron’ny fanadinana sy ny fanapahan-kevitra mba tsy hitanila.
Miaiky ny minisitera fa ao anatin’ny fanarenana ny dian-tanan’ny fitantanana teo aloha izy ireo amin’izao fotoana. Hita taratra ny fitarazohana amin’ny fanapahan-kevitra noho ny fanovana tsy maintsy hatao eo amin’ireo fandaminana anatiny sy ny tomponandraikitra azo antoka tena hitondra fanovana tsara amin’ny sehatry ny fanabeazam-pirenena.
Tsiahivina fa niitatra 12 volana ny taom-pianarana iray tamin’io tetiandro diso nivoaka io ka niteraka ahiahy tamin’ireo mpampianatra sy ray aman-dreny. Nihemotra ho ny volana jolay sy aogositra ny fanadinana CEPE sy BEPC ary ny Bakalorea ka nanaitra ny sain’ny mpianatra.
Tatiana A




