Tsy anisan’ireo antoko politika 103 nanao sonia fifanarahana ny antoko Tiako i Madagasikara (Tim), hoy ny solombavambahoaka voafidy tany Ambatondrazaka sady filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Fidèle Razara Pierre, nandritra ny hetsiky ny Tim tany Toamasina, ny sabotsy lasa teo. Nambarany fa tsy nanao izany sonia izany izy ireo satria mijoro amin’ny heviny. Nohamafisiny fa raha tsy nahasahy nijoro ny Tim hatrizay dia tsy ohatr’izao isika androany, ary matoa matanjaka ny antoko dia nijoro foana na inona na inona niseho.
Handray anjara feno amin’ny fanovana atao eto amin’ny firenena ny tena tanjon’ny vovonanana AMF, raha ny fanambarana nataon’izy ireo ny sabotsy lasa teo, tetsy Ankadikely Ilafy. Handray anjara amin’ny raharaham-pirenena sy ny sosialy ihany ko aizy ireo.Mifototra amin’ny fanavaozana sy fanovana ny tanjona. Marihina fa misahana asa soa sy fanabeazana izy ireo hatramin’izay.
Araka ny vaovao niely tao anaty tambajotran-tserasera, ny asabotsy lasa teo, nampiakarina amin’ny mariboninahitra ambony “jeneraly” ny mpanolotsaina ambony eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’ i Madagasikara. Anisan’ireo nahazo izany, ny kolonely Rabearimanana Lucien sy ny Médecin colonel Marcellin Zafitasondry.




