Nisotro zava-mahamamo : Mpamily iray namoy ny ainy latsaka tao anaty rano

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina in­dray tetsy amin’ny kaominina ambanivohitra Sabotsy Na­mehana, distrikan’An­tanana­rivo Avaradrano, afakomaly, tamin’ny 8 ora alina. Niseho teo amin’ny lalana pavé Tsa­rasaotra/Antsofinondry hivoaka ny lalam-pirenena fahatelo, ivelan’ny tanàna, ny loza. Fiara Golf Type 1 iray miloko fotsy avy any Ivato hihazo an’i Sabotsy Namehana no niharan-doza. Nandeha mafy, somary niala lalan-dratsy ny mpamily ka nivarina tao anaty rano ny fiara.
Nahazo antso avy amin’ny olon-tsotra ny zandary avy amin’ny tobim-paritra Sabotsy Namehana. Tonga nidina ifotony avy hatrany nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana miisa efatra, taorian’izay. Tonga teny an-toerana koa ny avy amin’ny sampana mpamonjy voina Analamahitsy. Nampakarina avy ao anaty rano ilay mpamily taraiky tao anaty fiara. Nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana, taorian’izay. Namoy ny ainy teny an-dalana izy. Raha ny fanazavana avy amin’ny zandarimaria, tombanana ho vokatry ny fandehanana mafy sy fisotroana alikaola ny antony nahatonga ny loza. Na­hitana tavoahangina Gold blanche miisa efatra mantsy tao anaty fiara, nandritra ny fitsirihana. Mbola tsy nisokatra ny iray tamin’ireo.
Ankoatra izay, fiara iray hafa koa nivarina tany anaty rano, tany amin’ny lalam-pirenena fahafito, afakomaly tamin’ny 11 ora alina. Niseho teo Amboniriana, kaominina am­banivohitra Manjakatompo, 8km hidirana an’Ambato­lampy, ny loza. Tsy nisy ny aina nafoy tamin’io tranga iray io. Entanina hatrany ny mpamily mba tsy hampiaraka ny familiana sy ny fisotroana, hisorohana ny loza tahaka izao.

Mino

Partager sur: