Toamasina : Namondrona ankolafin-kery politika ny antoko TIM

Niavaka raha izay no azo ilazana ny fifampiarahabana noho ny asaramanitra, nahatratra ny taona vaovao 2026, teo anivon’ny antoko Tiako i Madagasikara. Notarihin’ny filoha mpanorina azy, Ravalo­manana Marc, filoha teo aloha sy ireo pikambana marobe ny asabotsy 17 janoary teo izany, tetsy amin’ny Magro Tanam­bao fahadimy. Nisongadina noho ny fahitana ireo  mpanolotsain’ny tanàna voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tgv/ Mapar  notarihin’ny filoha lefitra faharoan’ny ben’ny tanànan’i Toamasina voalohany. Teo ihany koa ny eo anivon’ny Faritra Atsina­nana sy ny mpikambana mandrafitra ny kabinetran’ny ben’ny tanàna. Tsy ireo ihany fa maro ireo avy amin’ny antoko politika sy fikambanana hafa izay niara-dia tamin’ny antokon’ny fioha teo aloha Andry Rajoelina, izay nasaina manokana nifanome voninahitra.

Manoloana ireo, nazava ny tenin’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena misahana ny faritanin’i Toa­masina, Razara Pierre Fidel, fa ny antoko Tim sy ny filoha Ravalomanana Marc dia manana lalantsaina ho amin’ny fampiraisana ny firenena. Fifanomezan-tanana ho an’ny rehetra tsy manaiky ny fanilikilihana amin’ny tsy fitoviana firehana politika ihany koa. Ny tanjona dia i Madagasikara ho an’ny Malagasy anaty rafi-piarahamonina mirindra

Sajo

Partager sur: