Fanaingana ny toekarena : Mila mifampatoky ny fanjakana sy ny mpandraharaha

Notanterahina teny amin’ny CCI Ivato, omaly ny “Dinika ho fanaingana ny Toekarena”. Tapaka fa hisy ny drafitrasa nasionaly mba tena hitondra fampandrosoana. Niray feo amin’ny hisian’ny fifampitokisana ny fanjakana sy ny mpandraharaha.

Tontosa soa aman-tsara omaly, teny amin’ny CCI Ivato, ny « Dinika ho fa­naingana ny toekarena » eto Madagasikara. Nilaza ny filohan’ny Fanavaozana ny Re­poblika (PRRM), ny kolonely Randrianirina Michaël, fa tsy mahantra i Madagasikara fa nampahantraina. « Tsy mila dinika feno kabary isika, fa mitaky fanapahan-kevitra azo tohanana ary azo refesina, ka tena ho hita ny fanarenana amin’ny sehatra rehetra ».

Navoitran’ny minisitry ny Toekarena, ny Dr. Ramiarison Herinjatovo Aimé, fa tsy nitsahatra nitotongana ny fidiram-bolan’ny Malagasy tato ana­tin’ny 53 taona farany. Naha­tratra 844 dolara isam-batan’ olona ny harinkarena faobe (PIB) ny taona 1971, ary nitotongana ho 453 dolara/olona izany ny taona 2024 teo. Mi­dika izany fa tsy nisy ny fa­mokarana, tsy miainga ny toekarena, mihena ny vitri-pamokarana (productivité). Zara raha mamokatra 25%, izany hoe, ny ampahefany amin’ny vokarin’ny Afrikanina ihany, ny Malagasy. Tsy fahadisoan’ny sehatra tsy miankina no nahatonga an’io fa mety avy amin’ ny fanjakana. Koa izay no anton’ity dinika ity, hifanohanana sy hifanampiana.

Seha-pihariana hiaingana

Vahaolana fohy ezaka narosony ny hanohanana ny seha-pihariana roa na telo, toy ny famokarana lamba, ny fizahantany, ny fanodinam-bokatra avy amin’ny fambolena, ohatra. Mila tohanana koa ny mpisehatra tsy manara-drafitra (informels), izay manodi­dina ny 90%, mialoha ny hampidirana azy ireny amin’ny ara-dalàna.
Ho an’ny filohan’ny Gem, Rabarijhon Francis, nisolo tena ny sehatra tsy miankina, « tsy misy fiaraha-miasa raha tsy misy ny fifampitokisana. Tanteraka izany rehefa misy rafi-pitsarana ara-drariny, ny fanjakana tsara tantana ary fiaraha-miasa madio ».

Njaka Andriantefiarinesy

Niaraka nikarakara ny hetsika ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF), ny ao amin’ny Indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina (MIDSP), notohanan’ny Vondrona eoropeanina (UE) sy ny EDBM.

Partager sur: