FANTINA sy FINTINA

”Manantena ny FFKM ny vahoaka malagasy”, hoy ny hafatry ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny famindram-pitantanana teo anivon’ny FFKM teny amin’ny katedraly Andohalo, afakomaly. Mba ho olona tena tia tanindrazana no hikarakara ny fikaonandoham-pirenena, ary tsy hisafidy lalana hafa dieny mialoha. Hevitry ny Malagasy rehetra no angonina ao fa tsy ny hevitry ny miaramila fotsiny, na ny fiangonana, na fiarahamonina sivily, na mpanao politika, na tanora.
”Hita sy tsapa fa mbola misavorovoro ny toe-draharaha eto amin’ny firenena”, hoy ny fanambaran’ny antoko Maitso hasin’i Madagasikara, voaray omaly. Toa mitarazoka sy mila hikatso sahady aza ny dingana ho amin’ny fanavaozana hivoahana amin’izao krizy noho ny tsy fitoviam-pijery sy izay mety ho kajikajy politika miteraka resabe sy ahiahy izao. Noho izany, miantso ny hanafainganana ny fikaonandoham-pirenena haha­zoana mifampiresaka, hitadiavana vahaolana hivoa­hana amin’ny krizy, izy ireo.
Tanjona lehibe iray amin’izao fanavaozana izao ny famerenana ny fahefana any amin’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fifidianana, araka ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny HVM, Rakotovao Rivo. Eken’ny rehetra rehefa madio ny fifidianana, anisan’ny fototra mampandroso ny firenena. Mila fantatra, ohatra, hoe vola avy aiza no ampiasaina amin’ny fampielezan-kevitra, ferana izany, tsy manome vola na fitaovana amin’ny fampie­lezan-kevitra. Aoka izay ny mividy olona.

Partager sur: