“Amin’izao fotoana, ny feo heno avy amin’ny lafivalon’i Madagasikara: toa manomboka mihena ny hafanam-po sy ny fanantenana niredareda tany am-boalohany”. Io ny fanambaran’ny Justice et Paix, voaray omaly, taorian’ny fihaonamben’ny eveka momba ny fandriampahalemana sy ny fiadanana eto Madagasikara, ny 16-18 janoary. Mitombo tsikelikely ny ahiahy noho ny zava-mitranga, toy ny fitohizan’ny tsy fandriampahalemana, ny kolikoly, ny fiakaran’ ny vidim-piainana… Marina fa tsy vita ao anatin’ny fotoana fohy ny fanarenana ireo marobe, ny taotrano tsy vitan’ny irery, ary sarotra ny manova sy manarina ny rafitra efa raiki-tampisaka. Nefa adidy tsy azo idifiana sy maika izany.
Noho izany, aoka tsy ho diso ady atrehina. Mba hahazoana manatratra ny tanjona, aoka samy hahay haka lesona amin’ireo krizy miverimberina efa niainana teo aloha. Na ny mpitondra na ny vahoaka, tsy ho voarebirebin’ireo mpanao kobaka am-bava sy mpanao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Aoka koa ny mpitandro filaminana mba tsy ho lasa herim-pamoretana. Aoka ho malina ny tsirairay mba tsy ho diso ady atrehina. Ny ratsy no fahavalo ka hofongorina, fa tsy ny samy Malagasy no ifandramatra ka hampidi-kizo ny firenena indray mandritra ny taona maro.
Aoka ireo mpitondra sy tomponandraikitra ambony eto amin’ny firenena amin’izao miantoka ny fanamorana ny fanatanterahana ny fikaonandoha mba hangarahara ary handraisan’ny rehetra anjara. Ho fitaratra amin’ny ady amin’ ny kolikoly izay manabotry ny firenena hatramin’izao sy amin’ny fampiharana ny lalàna amin’ireo tsimatimanota. Ary ny kristianina mba hijoro handray ny adidy amin’ny fanatanterahana ny fikaonandoha, araka ny finoana.
R. Nd.




