MECC 2026 : Hampivelatra ny fandraharahana any Kanada

Hotanterahina ny 26 avrily ka hatramin’ny 11 mey ny he­tsika “Mission économique et commerciale au Canada” (Me­cc), andiany fahafito, karakarain’ny Antenimieran’ny varotra Kanada-Madagascar (Ca­n­­cham). Hetsika lehibe hampahanfantarana ny vo­katra sy ny fandraharahana malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ambohi-pihaonan’ireo mpandraharaha ny iraka ara-toekarena, ma­nampy amin’ny fifanakalozan’ ny roa tonta sady manitatra tsena any ivelany.
Nitondra tombontsoa ma­rolafy amin’ny fandrahara­hana ny Mecc. Ny taona 2025, nandritra ny andiany fahenina, nahatratra 3 tapitrisa dolara ny vola azon’ireo Malagasy mpa­n­­­draharaha, raha ny fanazavan’ny Cancham. Nitotaly 315 ireo Kanadianina mpandraharaha vonona hiara-kiasa amin’i Madagasikara. An­koa­tra izay, orinasa malagasy miisa roa ihany koa no tafapetraka ao Kanada taorian’ny hetsika tamin’ny taon-dasa. ” Tsy mitsaha-mitombo ny vo­katra azo tsapain-tanana”, hoy ny Cancham.

Soa fanararaotra

Nampivelatra ny tontolon’ ny fandraharahan’ny Mala­gasy ny hetsika. Maro ihany koa ireo nahatsangana fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ireo mpiara-miombon’antoka stratejika kanadianina. Araka izany, “manamora ny fidirana eo amin’ny tsena kanadianina ny Cancham amin’alalan’ny Mecc. Tanjona ny hanatsarana ny vokatra sy handrosoana lavitra kokoa amin’ny andiany manaraka”, raha ny fanaza­vana hatrany.

Henintsoa

Partager sur: