22 andro taorian’ny nisamborana azy teny Ambatovinaky, niakatra fampanoavana, omaly, ny Jly Ravalomanana Richard. Naiditry ny mpitsara mpanao famotorana vonjimaika am-ponja eny Imerintsiatosika izy.
Nalefa eny amin’ny fonjan’Imerintsiatosika ny Jly Ravalomanana Richard, halina. Izay ny vokatry ny fanadihadiana lalina nataon’ny mpitsara mpanao famotorana azy. Niakatra fampanoavana, 22 andro taorian’ny fisamborana azy teny amin’ny trano fonenany, teny Ambatovinaky, izy. Raha ny angom-baovao teny an-toerana, noraisina fotsiny teo anivon’ny fampanoavana ny anarany fa tsy nohenoin’ny mpampanoa lalàna akory. Tsiahivina fa ny fanohintohinana ny fiandrianam-panjakana, firaisana tsikombakomba tamin’ny heloka bevava samihafa, miampy ny fisandohana andraikitra ho mpibaiko ny zandarimaria ny fanenjehana azy. Ankoatra izay, tsy nisy nipika ny vaovao. Na ny mpisolovava, na ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena dia samy nisafidy ny hanakombom-bava.
Miandry daty
Mahakasika ny raharaha Rakotomanga Rinah, izay anisan’ny voarohirohy ihany koa amin’ny resaka fanohintohinana ny fitondrana sy fandikan-dalàna samihafa, miandry ny datim-pitsarana izy mivady. Nolavin’ny fitsarana rahateo ny fampiakarana fitsarana ambony, ny fangatahana fahafahana vonjimaika. Tsiahivina fa migadra eny amin’ny fonjaben’ Antanimora ity mpanohana ny filoha teo aloha ity.
r.r




