“Ao anatin’ny sehatra tsy ara-dalàna ny 98% ny orinasa malagasy”, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP), Rasoarahona Andriniaina. Fanehoan-keviny tao amin’ny fahitalavi-pirenena, andro vitsy lasa izay. Sakana ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny indostria malagasy izany, ka entanina izy ireo hiditra ao anatin’ny ara-dalàna.
Nohazavainy fa anisan’ny mahatonga ny orinasa misehatra amin’ny tsy ara-dalàna ny fandoavan-ketra. Misy anefa
ny tombontsoa azo, toy ny fahafahana misitraka famatsiam-bola sy tohana maro samihafa. Araka izany, misy ny hetsika ataon’ny minisitera hanamorana ny fandoavan-ketra sy hampiroboroboana ny “Label Malagasy”.
Tsiahivina fa nisy ny fihaonambe ara-toekarena nataon’ny minisitera sy ny sehatra tsy miankina tetsy amin’ny Stade Barea. Nisongadina fa olan’ny ankamaroan’ny orinasa ny famatsiam-bola sy ny fepetra iasana ho an’ny orinasa. Nampahatsiahivin’ny minisitra fa tanjona ao anatin’ny “Pacte de l’industrialisation” izay natomboka ny taona 2023, ny hampakatra 15% ka hatramin’ny 30% ny harinkarena faobe amin’ ny alalan’ny indostria amin’ny taona 2040.
Henintsoa




