Sahondrarimalala Marie Michelle : Nampidirina vonjimaika am-ponja eny Avaradrano

Anisan’ny raharaha politika be mpanaraka, amin’izao fotoana izao, ny mahakasika ny minisitry ny Fanabeazana teo aloha, Sahondrarimalala Marie Michelle. Manameloka ny fitazomana azy ho tsy ara-dalàna ny mpanohitra.

Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana tapony, omaly alina, ny solombavambahoaka voafidy tany Fianarantsoa I, sady minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha, Sahondra­rimalala Marie Michelle. Nai­ditra am-ponja vonjimaika eny Avaradrano izy, taorian’izay. Nanohintohina ny fiandrianam-pirenena ary voalaza fa nizara vola tamin’ireo be sandry izy, ny antony hiampangana azy. Nanambara moa ireo mpisolovava azy teny Anosy omaly alina, fa tsy manaiky io didy nivoaka io ka hampiakatra ny raharaha.
Ankoatra izay, milaza ny lehiben’ny vondrona parlemantera mpanohitra ao Tsim­bazaza, ny depiote Milavonjy Andriasy Philobert, omaly, teny Anosy, fa : “Tsy misy akory ny fanadihadiana natao taminy nandritra ny fitanana azy. Izay no ilazanay hatrany fa tsy ara-dalàna ny fitazonana sy fanenjehana azy, fa miendrika fanenjehana ara-politika” .
Manoloana ny fivoaran’ny toe-draharaha, mangataka ny fahendren’ny fitsarana izy ireo mba tsy ho tonga amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra politika. Mangataka ny hamela malalaka azy hiverina any an-tokantranony ireto mpahay sy mpanao lalàna ireto. ”Tsy misy vokatsoa amin’ny fanenjehana ara-politika. Fanambaran’ny Sadc vao andro vitsy izay ny hisian’ny fitoniana sy fifampiresahana mazava, ny famerenana an’ireo sesitany politika rehetra eto Madagasikara”, hoy hatrany izy.
“Misy dingana sy fomba maromaro tsy voahaja tamin’ny fitanana azy”, hoy kosa ny mpisolovava, azy, ny Me Rajaoarifetra Richel. Manan­tena izy fa hanao ny asany ara-dalàna ny fitsarana, na dia tsy manaraka ny fehezan-dalàna famaizana aza ny fitanana azy. ”Voatana eny amin’ny sampana misahana ny ady heloka bevava (BC) izy na­nomboka ny 9 janoary. Tsy misy ny taratasy fanalavana ny fitanana azy fa mijanona fotsiny amin’izao. Inona no itanana azy sy hiakarany fampanoavana? Nefa tsy nisy fanadihadiana natao hatra­min’ izay”, hoy izy namarana ny resaka.

R. Nd.

Partager sur: