VAOVAO TAMBATRA

Mihisatra ny asa fanarenana ny lalam-pirenena fahefatra, mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga. Mbola ny 20% monja ny fandrosoan’ny asa vitan’ny orinasa CRBC sy ny Witec, ao anatin’ny tetikasa PDDR, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. « Handraisana fepetra ny orinasa tsy manao araka ny tokony ho izy ny asany. Mila manampy isa ny mpiasa sy ny fitaovana ny orinasa», hoy ny fitondram-panjakana.

Nisanda 5 238 Ar ny 1 euro, raha 4 538 Ar ny 1 dolara, teo amin’ny tsenam-bola vahiny ny 16 janoary teo. Nihen-danja ny sandam-bola malagasy tato anatin’ ny iray volana, izany hoe, raha noharina ny tamin’ny volana desambra. Ny 16 desambra 2025 no nanom­boka nihoatra ny 5 200 Ar ny 1 euro, satria 5 215 Ar, raha 4 517 Ar ny 1 dolara, izany hoe, nihoatra ny
4 500 Ar iha­ny koa. Efa nahatratra 5 309 Ar ny 1 euro, ary 4 579 Ar ny 1 dolara tamin’ny 5 janoary teo, ary izao samy ni­dina kely izao.

Manodidina ny 930 taonina ny lavanila naondran’i Madagasikara tamin’ny volana marsa 2025. Tsy mbola nisy ny antontanisa ofisialy nivoaka ho an’ny taona 2025 manontolo, sady teo koa ny fiovan’ny fitsipika mifehy ny fanondranana. Na izany aza, kely io tarehimarika io raha oharina ny naondrana ny taona 2024, izay nahatratra 4 400 taonina. Betsaka lavitra io raha oharina amin’ny filana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, izay 2 500 taonina monja.

Partager sur: