Airtel : Mpiasa 24 nahomby tamin’ny asany

Miisa 24 ny mpiasan’ny orinasa Airtel Madagasikara nankasitrahina, ny zoma 16 janoary teo. Nomena ny mari-boninahitra « medaly volafotsy arakasa » ny 22, raha medaly ali­mo arakasa ny roa. Natao izany noho ny zava-bita sy ny fahavononana ary ny fandraisan’andraikitr’izy ireo tao amin’ny orinasa.
Notsiahivin’ny mpitantanana foibe ny Airtel fa nitondra fampandrosoana ny orinasa ny endrika maha matihanina nasehon’ny mpiasa tsy ankanavaka. Fankasitrahana ny dingana vita, tsy niova ary finiavana natao nandritra ny taona maro. Azo tsapain-tanana ny vokatra nomen’izy ireo, nahatonga izao fizarana medaly ara-kasa izao, satria fahombiazana iraisana.
Nasehon’ny orinasa tamin’ity fotoana ity ny fankasitrahana ny zava-bitan’ny mpiasa, mampakatra ny lanjan’izy ireo, izay fototry ny kolontsaina Airtel. Taratry ny andraikitra raisin’ny orinasa eo amin’ny fiarahamonina, mihaino ny mpiara-miasa, anehoana fa mifandray tsy tapaka ny rehetra. Voa­porofo fa misy talenta daholo isaky ny zava-bita tsara, mitarika any amin’ny fahasamihafana amin’ny hafa.

Njaka A.

Partager sur: