Ambasadaoro Claire Pierangelo : “Hijery ny tombontsoan’i Madagasikara mandrakariva i Etazonia”

Tonga nanao veloma ny filohan’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, kolonely Randrianirina Michaël, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly, ny ambasadaoron’i Etazonia niasa sy nonina teto Madagasikara, i Claire A. Pierangelo.

Tsy nisy nipika ny resaky ny roa tonta. Na izany aza, nambarany tamin’ny mpanao gazety fa: “mbola hijanona ho mpiara-miombon’antoka aminareo hatrany i Etazonia, ary mahazo matoky ianareo fa hijery ny tombontsoan’i Madagasikara sy ny Malagasy mandrakariva i Etazonia”. Efa efa-taona izay no nahateto Madagasikara azy. Tao anatin’izay fotoana izay, betsaka ny zava-niseho. Nahafaly azy ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Teo, ohatra, ny fanampiana izay azo nomena ny vahoaka malagasy. Tao anatin’izany koa ny tetikasa amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, ny lafiny fanabeazana sy ny fampianarana, ny fanampiana ny maha olona… Mbola hotohizana izany rehetra izany, na eo aza ny fandaozany an’i Madagasikara.
Nandritra izay efa-taona izay, nitety an’i Madagasikara izy. Ny tsikariny tao anatin’izay, ny fomba fandraisan’ny Malagasy olona sy ny fahai­zan’ny Malagasy mandray vahiny. Isaorany ny vahoaka malagasy amin’izay fahaizany mandray vahiny sy olona. Eo koa ny fifandraisana mafana misy eo amin’ny firenena roa tonta sy eo amin’ny vahoaka malagasy sy amerikanina.

R. Nd.

Partager sur: