FANTINA sy FINTINA

Mampanahy sy mampatahotra ny fiainam-pirenena sy ny hoavin’ny fanaovana politika eto Madagasikara, raha ny zava-miseho. Io ny nambaran’ny lehiben’ny fanoherana sady filoha lefitra fahafiton’ny Antenimierampirenena, ny depiote Milavonjy Philobert, teny Tsimbazaza, omaly, momba ny “Raharaha depiote Sahondrarimalala Marie Michelle”. Mampieritreritra raha toy izao ny fomba andraisana sy iampangana ny olona manana andraikitra eto amin’ny firenena.

Nifarana tamin’ny 19 janoary ny fe-potoam-piasan’ny Antenimierandoholona, araka ny fampahafantarana nampitain’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), voaray omaly. Tsy misy ny fanalavana izany, fa manohy ny fitantanan-draharaha ny filoha mpisolo toerana sy ny kestoran’ny Anteni­mierandoholona. Tsy misy afa-tsy ny Antenimie­rampirenena no manohy ny asan’ny andrimpanjakana mpanao lalàna aorian’ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ireo loholona.

Partager sur: