Lavon’ny balan’ny polisy teny Ambohijanaka ny jiolahy enina nikasa hanafika. Nahafahana nisoroka ny teti-dratsin’ireo olon-dratsy ny fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo.
Lavon’ny balan’ny polisy ny alatsinainy alina hifoha talata teo ny jiolahy miisa enina, nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana tetsy Ambohijanaka, distrika Antananarivo Atsimondrano. Nisy olona tsara sitrapo nampandre ny polisy fa misy andian-dehilahy miisa valo mikasa sy mikononkonona hanafika tokantrano iray teny amin’iny faritra Ambohijanaka sy ny manodidina iny. Tsy niandry ela fa nidina ifotony nijery ny zava-misy avy hatrany izy ireo taorian’ny antso. Nifanehatra tamin’ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny Unité spéciale d’intervention (USI) ireo jiolahy voalaza. Nirongo fitaovam-piadiana izy rehetra. Efa teo am-pisokirana sy nihanika tamboho ireo tsy valahara no hitan’ny polisim-pirenena. Nitifitra avy hatrany ny olon-dratsy rehefa nahatazana ny polisy avy lavitra. Namaly tifitra ihany koa ny polisy manoloana izany mba ho fiarovan-tena. Raikitra ny fifanjevoana sy fifampitifirana. Niezaka nandositra ireo olon-dratsy nandritra izany. Vokatry ny hamafin’ny fifandonana, lavo ny enina tamin’ireo jiolahy, raha toa ka tafaporitsaka ny roa ambiny.
Nahatrarana basy vita tanana
Nandritra ny fisavana ny razana, mbola hita teny amin’izy ireo ny fitaovam-piadiana nampiasainy. Anisan’izany ny basy vita tanana miisa roa sy antsilava miisa efatra.
Raha ny fantatra, anisan’ny jiolahy vao malaza ratsy amin’ny famakiana trano mitam-piadiana eny an-toerana sy ny manodidina iny ireo lavo ireo. Ankoatra izay, malaza amin’ny asa fanendahana mpandeha tongotra eny amin’ny faritra Ambohijanaka sy Ambohidratrimo izy ireto. Raha ny fanazavana voaray hatrany, efa nokarohina ireto olon-dratsy ireto, ary izao tratra sy voatifitra izao. Mbola ao anatin’ny fikarohana ireo namany tafaporitsaka ny mpitandro filaminana. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny asan-jiolahy izao hetsika izao.
Manentana ny olom-pirenena tsirairay ny mpitandro filaminana mba hampandre azy ireo avy hatrany, raha maheno vaovao na tranga mampiahiahy eny amin’ny fokontany tsirairay avy. Tanjona ny hisorohana ny asa ratsy kasain’ireo jiolahy hatao.
Mino




