Paikady mahomby hampandrosoana ny firenena ny fampiroboroboana ny niomerika.
Tanjona ny hanapariahana azy hatrany ambanivohitra.
Anisan’ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana ny hanitarana ny tetikasa Rural Rapid Transformation/ Smart Village, mikendry ny fisitrahan’ny tontolo ambanivohitra ny niomerika.
Nivoitra izany nandritra ny atrikasa nataon’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT) sy ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam), afakomaly. Voaresaka tao anatin’ny dinika ny hitadiavana mpiara-miombon’antoka vaovao, hanamafisana ireo tolotra niomerika ao anatin’ny Smart Village, ny hananganana maodely maharitra sy azo tanterahana, ary hanamafisana ny fampifanarahana ny tetikasa amin’ny politika ankapoben’ny fanjakana ho an’ny fanavaozana (PGE-R) sy ny laharam-pahamehan’ny firenena. Tanjona, araka izany, ny hampiditra ireo faritra mitoka monina ao anatin’ny niomerika. Marihina fa mipetraka eny amin’ny tontolo ambanivohitra ny 80% ny Malagasy ary 40% monja no misitraka ny teknolojia.
Toekarena
Azo atao, araka izany, ny manolotra fifandraisana mahomby amin’ny alalan’ny maodely RRT/ Smart Village. Ity farany izay tolotra hitondra tombontsoa ara-toekarena sy sosialy any amin’ireo faritra lavitra sy tsy tratry ny tambajotra. Noho izany, hipaka manerana ny Nosy ny tombontsoa entin’ny niomerika.
Ankilany, fanoitra amin’ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra ny niomerika satria manampy amin’ny fanofanana ny tantsaha sy ny fihariana ifotony hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina. Ankehitriny, Smart Village miisa enina no efa miasa ary maherin’ny 100 tapitrisa ireo efa misitraka mivantana ny tetikasa eo amin’ny sehatry ny toekarena sy amin’ireo karazana tolotra ara-panjakana samihafa.
Henintsoa




