TSELATRA

Natsangana ao amin’ny distrikan’Anjozorobe ny “Centre spécial d’aguerrissement opérationnel” (CSAO), hanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Mandrafitra izany ny zandary mpiana-draharaha miisa 58 avy amin’ny andiany faha-79. Nomena fiofanana tao amin’ny “Compagnie de la Gendarmerie” ao Anjozorobe izy ireo. Hihazo avy hatrany ny kaominina Marotsipoy aorian’ny fampiofanana.
Karohin’ny zandary i Song Ziping, lehilahy iray teratany vahiny. Teny amin’ny D 05, résidence Gourde Trésor, Ivato no nahitana azy farany. Fivadiham-pitokisana sy fisolokiana vola mitentina 300 000 000 Ariary ny antony hanenjehana azy, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandarimariam-pirenena. Ilazana, araka izany, izay mahita azy mba hampandre ny mpitandro filaminana.

Partager sur: