Ady amin’ny andiam-balala: Velaran-tany 600 000 ha harovana amin’ity taona ity

Natomboka ny 17 janoary teo, tany Toliara, ny hetsika hiadiana amin’ny andiam-balala ho an’ny taona 2025-2026. Faritra enina no hanaovana azy, hampiasana ny hetsika ana habakabaka sy an-tanety.

Voafaritra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ny paikady fanovana (PGE-R) eto amin’ ny firenena. Tafiditra anatin’ izany ny fahaleovantena sy ny fiarovana ara-tsakafo, ny fiatrehana ny rafi-pamokarana ary ny fiarovana ny velon-te­nan’ny mponina. Misy ny fandaharanasa isaky ny 4 taona hiadiana amin’ny valala (2024-2028), tanterahin’ny Ivontoe­rana nasionaly miady amin’ny valala (IFVM), tohanan’ny FAO ara-teknika, ary vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Ho an’ny taom-piasana 2025-2026, hahatratra 600 000 ha ny velaran-tany hiasana hisorohana ny firongatry ny an­diam-balala. Faritra enina no voakasika, toy ny tamin’ny taona 2024 ihany, Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, Ma­tsiatra Ambony, Ihorombe ary Menabe.
Hampisaina ny fomba an-tanety sy ana habakabaka, hampahomby ny hetsika sy hiarovana ny famokaran’ny tantsaha. Misy ny fampiofanana ny teknisianina sy ny mpiasan’ny IFVM, hanatsarana ny fahaiza-manao mifanaraka amin’ny fenitra eto amin’ny firenena sy iraisam- pirenena.
Azo tarafina ny ataon’ny IFVM

Notsipihin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Rasatarimanana José Nirina, nandritra ny fanoka­fana ny fotoana, tany Toliara, fa azo tarafin’ny hafa ny fihe­tsiky ny IFVM. Tsy mikely so­roka ny governemanta mandrindra ny rafi-pitantanana ara-panjakana sady mitsinjo ny vahoaka. Hanehoana ny fiandrianam-pirenena sy fiarovam-pirenena ny ady amin’ny andiam-balala. Izay no nampitomboana avo roa heny ny ve­laran-tany harovana amin’ ity taom-piasana 2025-2026 ity.
Tsiahivina, maherin’ny 300 000 ha ny velaran-tany voa­tondraka fanafody ny taom-piasana 2024-2025, ka natao ana habakaba ny 288 000 ha raha 14 827 ha ny an-tanety.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: