Fifanarahana hanomanana ny fananganana rafitra fiaraha-miasa vaovao mifanaraka amin’ny laharam-pahamehan’ny Fanavaozana. Io no anisan’ny nisongadina tamin’ ny fanambarana iombonan’ny minisitry ny Vondrona eoropeanina sy ny Raharaham-bahiny frantsay, i Jean-Noël Barrot, sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Razana-mahasoa Christine, afakomaly, nampitain’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, omaly. Mankasitraka ny dingana voalohany amin’ny fanavaozana sy ny finiavan’ny governemanta amin’ny famerenana ny fifampitokisana amin’ny andrimpanjakana i Frantsa. Eo koa ny famerenana ny Fanjakana amin’ny asa soa iombonana sy ny famaliana ara-drariny ny hetahetan’ny fiarahamonina malagasy. Manoloana izany, hamafisiny ny fanohanany ny fanohizana ny dingana amin’ ny fijerena ny fikarakarana fifidianana malalaka sy mangarahara ao anatin’ny fe-potoana voafaritra. Voaresaka koa ny amin’ny famatsian-jiro sy rano.
Mijoro hatrany i Frantsa amin’ny famaliana ny hetahetan’i Madagasikara sy ny vahoaka, indrindra ny tanora naneho ny hetahetany ho amin’ ny fiainana tsaratsara sy ara-drariny ary mendrika kokoa. Tetikasa maromaro no nankatoavina, desambra 2025: fahasalamana, fanjarian-tsakafo, fampandrosoana an-tanàn-dehibe, angovo. Eo am-panatanterahana izany amin’izao. Natomboka ny dingana vaovao amin’ny fanohanana ny rariny eto Madagasikara (Pajma II), tarihin’ny Masoivoho frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD). Nanetsika ny Croix-rouge frantsay ny minisiteran’ny Eoropeanina sy ny Raharaham-bahiny handray anjara amin’ny fiatrehana ny krizy amin’ny fihanaky ny valana-retina nendran-drajako eto Madagasikara.
R. Nd.




