Fampandrosoana ny toekarena : Mila henoina ny sehatra tsy miankina

Nifanakalo hevitra momba ny zava-misy sy nametraka ny vinan’ny toekarem-pirenena izay ahitana vesatra ara-ketra sy ny fitotongan’ny fitomboan’ny toekarena ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) sy ny sehatra tsy miankina, andro vitsy lasa. Mandalo fotoan-tsarotra sy manan-danja eo amin’ny tantaran’ny toekarena i Madagasikara amin’izao fotoana, na eo aza ny fitomboan’ny tahan’ny fanondra­nana, mihena ny harinkarena faobe, raha ny nambaran’ny solontenan’ny FMI. Notsin­driny fa zava-dehibe ny mi­haino ny olan’ny sehatra tsy miankina sy mampiditra izany ao anatin’ny politikam-pampan­drosana ny toekarena. Maha­kasika ny rafitry ny orinasa afakaba, nanazava ny FMI fa tsy manohitra izany, saingy miantso hanaovana fanadihadiana lalina sy hentitra momba ny tombony sy ny fatiantoka aterany. Nasongadiny manokana ny olana momba ny fi­tantanana sy fanaraha-maso ireo orinasa afakaba sandoka. Ankilany, nilaza ny FMI fa mila hajaina sy omen-danja ny la­finy sosialy sy ny maha olona izay heverina fa andry lehibe amin’ny fampandrosoana.

Toekarena
Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny toekarena malagasy ny orinasa afakaba. Nilaza ny Fivondronan’ny orinasa afakaba (GEFP) fa ma­nin­tona sy manome asa maro ity rafitra ity. Maherin’ny 60 000, hoy izy, ny asa miankina amin’ ny Agoa. Na izany, manaitra ny fanjakana ny GEFP mahakasika ny trosa maherin’ny 100 miliara Ar izay mbola tsy voaloa hatramin’ny taona 2019. Ity farany izay mampihisatra ny fihodonan’ny orinasa. Araka izany, mangataka fihaonan’ny telo tonta ny sehatra tsy miankina.

Henintsoa

Partager sur: