FANTINA sy FINTINA

Nesorina tamin’ny toerany ny Kly Rakotoma­monjy Patrick, tale misahana ny birao fandraisana fitarainana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana. Nota­pahan’ny filankevitry ny minisitra ny fanalana azy amin’ ny toerany. Tsiahivina fa anisan’ny nahalalana azy ireo horonantsary maromaro nifanesy nitsikera ny fitondrana Rajoelina.
Nivoaka amin’ny fahanginany ny mpanorina ny RDS, Andrianirina Fetison. Nambarany fa ilaina ny fanorenana indray ny firenena. « Tsy azo lavina izany saingy tsy midika fa mandrava ny rafitra na mampiditra ny firenena anaty tsy fahatokisana », hoy izy. Homanina ny fiverenana amin’ny safidin’ny vahoaka, fa tsy hisolo azy maharitra, araka ny nambarany.
Tafapetraka eny amin’ny fitsarana tampony, ny antontan-kevitra fiarovana ny depiote Irmar, Sahon­drarimalala Marie Michelle. Voalaza fa tsy voahaja ny dingana tokony ho narahina tamin’ny famotorana. Tahaka izany koa ny didy nampidirana am-ponja azy eny Ava­radrano. « Toherinay ireo fombafomba rehetra namoahana ny didy », hoy ny mpisolovava.
Maneho ny ahiahiny sy mametraka fanontaniana ny Fikambanan’ny mpanao gazety ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana, amin’ny fanendrena ny talem-paritry ny Serasera sy ny kolontsaina any an-toerana. Nandefa taratasy any amin’ny minisitera izy ireo mba hanendrena olona avy amin’ny “Corps de la communication et de culture”, ary manana traikefa.

Partager sur: