Fihaonana tamin’ny Sadc : Manangasanga ny tondrozotra amin’ny Tetezamita

Nitsidika ara-pomba fifanajana ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, kolonely Randrianirina Michaël, ny sekre­tera mpanatanteraky ny Sadc, i Elias M. Magosi. Voaresaka ny momba ny fitantanana ny Tetezamita.

Nifanakalozan-kevitra teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, afakomaly, tamin’izany ny momba ny tetezamita eto Madagasikara, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny sekretarian’ny Sadc.
Ao anatin’izany ny dinika nasionaly ho amin’ny fanavaozana ny lalàmpanorenana sy ny fanomanana ny fifidianana ho avy. Nohamafisin’ny filoha Randrianirina Michaël ny fahavononan’i Madagasikara amin’ny foto-kevitry ny Sadc. Nanome toky izy fa hapetraka amin’ny faran’ny volana fe­broary 2026 ny tatitra nangatahin’izy ireo. Anisan’izany ny soridalana ho amin’ny Tete­zamita.
Voaresaka koa ny fitohi­zan’ny fiaraha-miasa, ny fifantohana amin’ny fampiraisana isam-paritra, ny fampandrosoana ny fotodrafitrasa, ny fiovan’ny toetr’andro, ny fandriampahalemana sy ny filaminana ary ny fiovana ara-toekarena. Nasongadin’ny vahiny ny maha zava-dehibe ny fa­netsiketsehana ireo loharanon-karena maharitra ho an’ ny fampandrosoana. Eo ny amin’ny Tahirim-paritry ny fampandrosoana eo anivon’ny Sadc (RDF). Ho fitaovana manan-danja hanohanana fotodrafitrasa sy fandahara­nasa isam-paritra izany, nandrisika ireo firenena mpikambana hanafaingana ny fankatoavana ny fifanarahana RDF. Eo koa ny fanamafisana ny indostrian’ny faritra amin’ny alalan’ny fanampian-danja sy ny rojom-bidy isam-paritra ary ny varotra eo amin’ny faritra. Manampy izany ny amin’ny valinteny mifandrindra amin’ny fiovan’ny toetr’andro.

R. Nd.

Partager sur: