Maty nalentiky ny rano tao amin’ny dobo Daingobe, ao amin’ny kaominina Antsahalava Beambiaty, afakomaly, ny ankizy mpirahalahy, 06 sy 07 taona. Raha ny fanazavana, nilalao rano sy nilomano teo izy mirahalahy ireo. Nanandran¬an¬¬drana nilalao rano tao anaty dobo. Tsy mbola misy nahay nilomano, saingy samy nanao izay saim-patany tao anaty rano izy roa lahy. Nilentika tampoka, samy tsy nahavonjy ny tenany intsony. Samy nanao izay ho afany nivoahana ilay dobokely izy ireo, araka ny loharanom-baovao saingy tsy nahavita.
Tazan’ny olona manodidina fa nisy tranga hafahafa ka nifampitaona namonjy ireo niharan-doza izy ireo. Nakarina tao anatin’ny dobo ireo ankizy. Nantsoina ny sefo fokontany sy ny manam-pahefana any an-toerana. Sempotra tao anaty rano ny antony nahafaty azy roa lahy, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Mila mitandrina hatrany ny ray aman-dreny amin’ny fanaraha-maso ny ankizy, mba hisorohana ny loza tampoka tahak’izao, indrindra amin’ny vanim-potoana fiakaran’ny rano.
Mino




