Nisy nanolana tany Sadabe ! Vehivavy 50 taona hita faty tao anaty kirihitra

Hita faty tao anaty kirihatr’ala, tany amin’ny Garabe Andavabato, fokontany Amba­to­fisaorana, kaominina Sa­da­be, distrikan’i Manjakan­dria­na, omaly maraina, ta­min’ny 9 ora sy sasany, ny vehivavy lehibe iray, tokony ho 50 taona. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana izy io satria niharan’ny herisetra ara-batana sy ara-nofo nataon’olona tsy fantatra, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Nahazo antso avy amin’ny sefo fokontany Sadabe ny zandarimaria miasa ao amin’ ny Brigade territoriale Sa­dabe. Tsy niandry ela fa nidina ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana avy hatrany izy ireo, niaraka ta-min’ny mpitsabo, taorian’ny antso. Tonga teny an-toerana ihany koa ny lefitry ny ben’ny Tanàna, ny solontenan’ny lehiben’ny boriborintany ao Sa­dabe. Nivalampatra tamin’ ny tany ny vatany. Nisabàka sy tsy nisy fitafiana intsony ny tapany ambany. Tombanana ho efa maty tao anatin’ny roa na telo andro ihany koa izy io. Efa simba tanteraka ny razana ary efa nivoaka olitra.
Nahitana sachet nisy tsaramaso iray kapoaka tany am-paosiny. Nahitana sotrokely tanaty sachet niala dimy me­tatra ny toerana nanolanana. Kiaka ny kihony havia, nivonto ny feny havia ary nahitana kiaka koa ny lohaliny. Olona tsy avy eny an-toerana izy io satria tsy nisy nahafantatra azy ny eny amin’ny manodi­dina. Halevina any amin’ny fasam-bahiny an’ny kaominina Sadabe eo Alakamisy, fokontany Sadabe, disitirika Manja­kandriana ny razana mandra-pahitana ny havany.

Mino

Partager sur: