TSELATRA

Misesisesy ny tranga fanafihana mitam-piadiana tato ho ato. Novakin’ny jiolahy ihany koa ny tokantrano iray etsy Manarintsoa Namehana, omaly, tamin’ny 2 ora maraina tany ho any. Tao anaty torimaso tanteraka ny tompony no novakian’ny olon-dratsy ny trano. Lasan’ireo jio­lahy ny fitaovana sy entana maro. Maraina vao tsikaritry ny tompony fa nivoha ny vavahady.
Nitrangana trano may tany Tanamborozano, Toamasina, omaly, tokony ho tamin’ny 04 ora hariva. Tsy nisy olona tao an-trano tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Raha ny fanazavana voaray, heverina ho fifampikasohan’ ny herinaratra ny antony nahatonga ny firehetana. Tonga nanao ny asany ny avy amin’ny Vondrona mpamonjy voina ka voafehy ny afo.
Notafihan’ny jiolahy miisa 10 mirongo basy ny trano fivarotana iray ao Ankazobe Moramanga, sampa­nana Ramaroanaka, afakomaly tokony ho tamin’ny 12 alina. Voaroban’ireo jiolahy ny vola « versement » rehetra tao an-tsena. Nanapoaka basy ireo olon-dratsy. Raha ny fantatra, nambenan’izy ireo tsirairay ny tranon’olona, nodarohana sy nambanan’izy ireo basy ireo izay nikasa hamonjy.
Bolongam-bolamena miisa telo, milanja 789 g, saika hahondrana antsokosoko, tratra teny Ivato, afako­maly. Malagasy iray nikasa hisidina ho any Dubaï, nan­deha tamin’ny sidina Emirates, no tra-tehaka nitondra ireo harena sarobidy ireo. Tsy manana taratasy ara-dalàna hitondrana izany izy, raha ny fanamafisan’ny Service des mines.

Partager sur: