Voaroba ny 20 tapitrisa ariary: Tovolahy 13 taona maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny jiolahy ny tovolahy 13 taona, teny Andobo, Sabotsy Namehana. 10 lahy nanafika azy mianakavy ny alin’ny talata hifoha alarobia teo. Voaroba ny 20 tapitrisa Ar.

Notafihan’ny jiolahy miisa 10 mahery, mirongo fitaovam-piadiana ny tokantrano iray ao Andobo, fokontany Tsarafara, kaomi­nin’i Sabotsy Namehana, disi­trikan’Antananarivo Avara­drano, ny alin’ny talata 20 janoary 2025, tamin’ny 11 ora sy fahefany. Voatifitra teo amin’ ny tendany ny tovolahikely vao 13 taona, zanaky ny tompon-trano. Nirongo basy lava (fusil à pompe), pistolet vita tanana, hety vy lehibe, ireo jiolahy nan­dritra ny asa ratsy.
Nopoirin’ireo olon-dratsy ny varavaram-by. Niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano izy ireo, araka ny fanangonam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana.
Mbola tao anaty torimaso lalina ny fianakaviana lasibatra no tonga nanafika ny olon-dratsy, raha ny fanazavana voaray. Tafaporitsaka nivoaka ny trano anefa ny telo mia­naka: ny ray sy renim-pianakaviana ary ny anabavin’ilay voatifitra ka avotra soa aman-tsara. Ankoatra ny namoy ny aina, voaroba ihany koa ny vola 20 tapitrisa Ar.

Mbola nanendaka

Vantany vao nisy ny poa-basy, niantso mpitandro filaminana ny fokonolona. Tonga haingana teny an-toerana ny avy ao amin’ny CCPAV, Fip, Brigade Criminelle sampana faharoa ary ny PST taorian’ny antso. Efa lasa nitsoaka ireo olon-dratsy tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo. Tsia­hivina fa mpivaro-kena ao amin’ny tsenan’i Sabotsy Na­mehana ity lasibatra ity.
Marihina fa araka ny fitantaran’ny mponina dia mbola nanendaka sy nandratra olo­na avy nandevina ity andian-jio­lahy mahery vaika ity. Nisy telo no lasibatra tamin’izany.

Mino

Partager sur: