Banky Sipem: Tohanana manokana ny vehivavy mpandraharaha

Vehivavy ny 30% ny mpandraharaha eto Mada­gasikara. Toy izany koa ny 61% ny mpanjifan’ny banky Sipem. Noho ireo, manome lanja manokana ny vehivavy mpandraharaha ity banky ity. Anisan’ny olana sedrain’ny vehivavy ny hasarotan’ny fahazoana famatsiam-bola. Nambaran’ny tale jeneraly lefitra (DGA) ny banky Sipem, Randriatsimialona Lanja, fa “omena tolotra manokana mifanandrify amin’ny filany ny vehivavy, mba hahafahany mampiroborobo sy manitatra ny seha-pihariany avy. Misy ny tolotra ho an’ireo mpandraharaha vao manomboka (Start’ Her), fa kosa efa nisy tao anatin’ny enim-bolana. Eo koa ny ho an’ny efa mihodina (Boost’Her) ary ho an’ny efa miroborobo ka hanitatra (Sprint’Her)”.
Maromaro ny tolotra mi­tambatra (pack) omena ny mpanjifa. Mora hatrany amin’ny 40% miohatra amin’ny mahazatra. Fitsinjovana so­sialy, toy ny fahasalamana, ohatra. Manampy ireo sady mampiavaka ny tolotra ny torohevitra hanampiana ny mpandraharaha hampahomby ny tetikasany. Mandritra ny 12 hatramin’ny 72 volana ny fanonerana ny findramam-bola. Natao ho an’ny mpandraharaha 21 taona no ho mihoatra.
Misy koa ny fitahirizam-bola (épargne) amin’ny tahan-janabola 7% isan-taona.

Njaka A.

Partager sur: