Nivoaka ny tatitry ny fanadihadian’ny vovonan’ny fiarahamonim-pirenena, CCOC. Nataon’izy ireo hampisainana ny mpitondra amin’izao fotoana izao izany.
Nivoitra tamin’izany fa tsy matoky ny fitondrana ny 57% amin’ny vahoakan’ Antananarivo. Niainga amin’ny fanadihadiana ireo olona miisa 1 200 amin’ny sokajin-taona samihafa amin’ireo boriborintany enina, teo anelanelan’ny febroary hatramin’ny novambra teo izany. «Tsy mahita fivoarana momba ny fitantanana ny raharaham-pirenena izy ireo», hoy ny CCOC. Maherin’ny 61% koa ireo tsy resy lahatra tamin’ny tolona nanonganana ny fitondrana teo aloha, ny septambra lasa teo. Mihoatra ny 87% ireo nilaza fa tsy nandray anjara tamin’izany hetsika izany, araka ny tatitra hatrany. «Tsy mbola mipetraka izany ny fitokisan’ny olom-pirenena ny fitondrana. Mbola misalasala ny amin’ny hoavy koa ireo nanontaniana. Milaza ny sasany fa tsy ara-dalàna sy tsy ara-drariny ny fitondrana ankehitriny», hoy ny sekretera jeneralin’ny CCOC, Randrianarison Hony Radert, tetsy Ambatonakanga. Manamafy koa ny tatitra fa maherin’ny 66% ireo tsy manohana izao fitondran’ny Kly Randrianirina Michaël izao. Tsy matoky ny Gen Z kosa ireo 45,45% raha nanontaniana.
FFKM sy ny mpitandro filaminana
Ankoatra izany, tsy matoky ny mpanohitra, nitondra teo aloha, koa anefa ireo nanontaniana. 59% mahery ireo tsy mankasitraka ireo avy amin’ny fanoherana miara-dia amin-dRajoelina. «Te hiova ireo olom-pirenena ka resy lahatra ny hirosoana amin’ny fanovan- drafitra sy fanovana lalàmpanorenana ary ny hetaheta ho amin’ny fanatsarana ny fitantanana», hoy ny CCOC.
Etsy andaniny, maherin’ny 45% ireo tsy matoky ny mpitandro filaminana raha tafakatra maherin’ny 70% kosa ny fitokisan’ireo olom-pirenena ny eo anivon’ny FFKM, amin’izao fotoana izao.
Nambaran’ny CCOC fa tanjon’ny fakan-kevitra ny hahafantarana ny fahitan’ny olom-pirenena ny toe-draharaham-pirenena. Natao handraisan’ny mpitondra fanapahan-kevitra koa izany, araka ny nambaran’izy ireo. Ahafahana mijery ny hoavy politika sy ny toekarena ary ny sosialy.
Synèse R.




