Fanolanana zaza tsy ampy taona : Mpampianatra roa niara-naiditra vonjimaika am-ponja

Mpampianatra roa lahy, eo anivon’ny EPP sy CEG ao amin’ny faritra Amoron’i Mania, niara-naiditra vonjimaika am-ponja. Nanolana ny mpianany 10 taona ny iray, raha nanodinkodina sy nahabevohoka ny mpianany 17 taona ny iray hafa.

Niakatra fampanoavana teo anivon’ny fitsarana ao Ambositra ireo mpampianatra roa lahy, ny 20 sy 21 janoary 2026 lasa teo. Naiditra vonjimaika ao amin’ny fonjan’Ankorombe avokoa izy ireo, taorian’izay. Nanola­na ny mpianany, ankizivavy 10 taona, kilasy fahefatra, tany Nord Caserne, kaominina andrenivohitra Ambositra, ny mpampianatra iray 35 taona, ny 15 ja­noary 2026 lasa teo. Noraho­nany tsy hiteny tamin’ny olona ny nahazo azy ilay ankizy, taorian’ny asa ratsy nataony. Ni­taraina narary foana tamin’ny reniny anefa izy taorian’izay. Nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana ity farany ary fantatra, nandritra izany, fa voaolana izy. Nanao fitarainana teny anivon’ny polisim-pirenena ny re­nin’ilay ankizy. Natao ny fanadihadiana ary fantatra fa ny mpampianatra azy tany an-tsekoly no nanolana azy. Nosam­bo­rina sy natao fanadihadiana teny anivon’ny biraon’ny polisy avy hatrany ilay mpampianatra, taorian’izay. Niaiky ny heloka nataony moa ny tenany, rehefa nanontanian’ny polisy. «Efa mpanao toetra tsy mendrika amin’ireo mpianany ao an-tsekoly ity ramose ity», raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisim-pirenena.

Voahodinkodina ary bevohoka
Ankoatra izay, mpampianatra iray 39 taona, ao amin’ny CEG iray, anatin’ny disitrikan’i Manandriana ihany koa naiditra am-ponja vonjimaika, taorian’ny fiakarany fampanoavana, ny 21 janoary lasa teo. Nadalain’ ity ramose ity ny mpianany 17 taona ary niaraka taminy, na­nomboka ny vo­lana oktobra 2025 lasa teo. Ni­laza fa bevohoka anefa ity tovovavy ity ny 19 janoary lasa teo ary nitondra fanamarinana izany tany amin’ ny mpitsabo. Tonga nitory teny anivon’ny polisim-pirenena moa ny reniny, rehefa nahafantatra ny zava-nitranga. No­samborina ilay mpanodinkodina zaza tsy ampy taona. Ma­ri­hina fa kilasy voalohany ao amin’ ny Lycée iray any an-toerana, ary monina ao Amba­la­vao, kao­minina ambanivohitra Soatanà­na, distrikan’i Ma­nan­driana, ity tovovavy lasibatra ity.
Marihina fa sazin’ny lalàna higadra an-tranomaizina roa hatramin’ny dimy taona ny olona iray tratra manadala ankizy latsaky ny 18 taona. Mbola mandoa onitra 100 000 hatramin’ny 900 000 Ariary ihany koa ny tompon’antoka.

Mino

Partager sur: