Niantso ny mpiasan’ny Antenimierampirenena ny eo anivon’ny birao maharitra mba hanaja ny fitsipika sy ny fandaminana ny asa. «Aoka hifanaja sy hanaja ny tomponandraikitra», hoy ny filohan’ity Andrimpanjakana ity, Randrianasoloniaiko Siteny, tamin’ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao, omaly.
Nambaran’ny lehiben’ny faritra Analamanga, Raharinirina Clemence, fa mety mbola maro ny nosamborina ary mety nisy mihitsy aza ny namoy ny ainy raha tsy nijoro ny Capsat. Na nitolona, nitsemboka, niharitra tahaka ny inona aza izy ireo eo anivon’ny «Tsy manaiky lembenana» sy ireo hafa, «tsy nahomby ny tolona raha tsy nisy azy ireo», hoy izy.
Andrasana, anio, ao Toamasina ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël taorian’ny fitsidihany ny tany Antalaha, omaly. Nanao fanambarana fanentanana ny vahoaka ao an-dRenivohitry ny faritra Atsinanana ny ben’ny Tanàna any an-toerana mba hifanotrona sy hitsena ireo delegasionina. Haharitra hatramin’ny rahampitso izao fitsidihana izao.
Nohitsin’ny depiote, Razara Pierre Fidele
«Del kely», fa tsy nahavita an’iny tolona iny ry Raharinirina Clemence sy ny namany raha tsy mpanolotsaina amin’ny anaran’ny Tim. «Tsy iny 25 septambra iny ihany ny tolona nampiongana an-dRajoelina sy ny forongony fa teo koa ny hetsika Miara-manonja sy ny hetsika fotsy, tsy nahitana azy ireo», hoy izy.




