Mandrosoa Ivato : Lehilahy iray nahatrarana rongony

Lehilahy iray tratran’ny polisim-pirenena miasa ao amin’ny kaomisaria Ambohidratrimo nivarotra rongony tetsy Mandrosoa Ivato, ny alarobia 21 janoary, tamin’ny 1 ora sy sasany tolakandro. Nahazo angom-baovao avy amin’ny olon-tsotra ny polisy fa misy olona mivarotra rongony eny an-toerana sy ny manodidina. Nidina ifotony avy hatrany izy ireo, taorian’izay, ka nahafahana nisambotra io lehilahy io. Nahitana rongony miisa 200, miendrika karaoty, teny aminy, nandritra ny fisavana. Nofonosina tamin’ny taratasy fotsy avokoa ireo zava-mahadomelina ireo ary fantatra fa « chanvre indien » izany.
Nosamborina ary nentina nanaovana fanadihadiana eny anivon’ny biraon’ny polisy ny tenany avy eo. Fantatra, nandritra izay, fa efa mpamerin-keloka ity olona voasambotra ity. Efa nigadra enim-bolana ny tenany, tamin’ny taona 2024.

Mino

Partager sur: