Laharana fahenina amin’ireo firenena azo tsidihina aty Afrika, ho an’ity taona 2026 ity, i Madagasikara, raha ny navoakan’ny Business Insider Africa. Mitana ny laharana voalohany ny Nosy Maorisy, manaraka i Botswana sy Namibia. Na izany, miavaka i Madagasikara matoa tafiditra ao anatin’ny firenena 10 voalohany amin’ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina.
Nahatratra 502 455,8 MWH ny famokarana herinaratry ny Jirama tao anatin’ny telo volana faharoa, taona 2025, raha toa ka 483 566,8 MWh izany nandritra ny telo volana voalohan’ny taona. Mbola ambany noho ireo ny fihenana nandritra ny telo volana farany, ny taona 2024 vokatry ny haintany izay manomboka ny volana aogositra ka nampihena ny famokarana herinaratra tao amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo.
104,2 tapitrisa dolara ny sandan’ny lavanila naondran’i Madagasikara ny taona 2025. Nihena 21,7% io taha io noho ny habetsaky ny tahiry any amin’ireo firenena mpandray izany ka mampihena ny filan’ny famatsiana nandritra ny taona. Tafidina 2 244,7 taonina (t) ny lavanila naondrantsika raha toa ka 2 876,5 t ny taona 2024, izay nisanda hatrany amin’ny 133,1 tapitrisa dolara.




