Tovolahy 25 taona nisotro ranom-panafody famonoana bibikely atao hoe « Ultracide », omaly hariva tamin’ny 6 ora sy sasany hariva. Niseho tao Anonoka, fokontany sy kaominina Sadabe, distrikan’i Manjakandriana, ny tranga. Nentin’ny fokonolona tany amin’ny CSB2 Sadabe izy rehefa hitan’ny olona fa niha nalemy sy reraka. Nahazo antso avy amin’ny sefo fokontany Sadabe ny kaomandin’ny tobim-paritra Sadabe, omaly hariva. Tsy niandry ela fa tonga teny ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana avy hatrany izy ireo, taorian’izay. Nisotro fanafody fatao amin’ny anana atao hoe: “Ultracide” izy. Nanambara hatrany ny mpitsabo fa mila entina haingana any amim’ny hopitaly lehibe izy, mba hitarafana ny tahan’ny fanafody tafiditra any anaty vatany sy ahafahana manaraka fitsaboana. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandary, avy nifamaly tamin’ny vadiny izy. Saro-piaro tamin’io vadiny io ilay ramatoa ka antony nisian’ny fifamaliana, raha ny angom-baovao natao teo anivon’ny fokonolona. Niezaka nanazava ilay rangahy nefa tsy nihaino azy ramatoa vadiny. Tsy nahazaka izany ilay lehilahy ka nandray an’io fanafody io. Hitan’ny fokonolona tena reraka be izy taorian’ ny fisotroany izany. Nanapa-kevitra nitondra azy haingana tany amin’ny hopitaly ireo fokonolona. Mbola niaina sy mbola velona tsara anefa izy nandritra izany.
Mino




