Mitokona efa ho roa volana izao ny vahoaka ao amin’ny kaominina Ambinanitelo, distrikan’i Maroantsetra, faritra Ambatosoa. Mitaky ny fametraham-pialana na fanoloana ho Filohan’ny delegasionina manokana (PDS) ny ben’ny tanàna Razafimahatratra Laurant, antsoina hoe Savôla, izy ireo. Famoahana rosia fitakiana haban-tsena tsy manaraka ny fenitra, fitakiana haba amin’ny lakana kanefa tsy mirotsaka amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina na mandeha banky, fandikan-dalana amin’ny bokin’ny sora-piankohonana, tsy fahaiza-mitantana no voalaza hanenjehan’ny mponina azy.
Manoloana izany, nametraka fitoriana eny anivon’ny sampandraharahan’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly na Bianco ao Toamasina ny mponina sy ny firaisamonim-pirenena any an-toerana. Efa nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fakana am-bavany ny olona voakasik’ izany, araka ny tatitra voarayfarany avy ao Maroantsetra.
Milaza ny tsy hampitsahatra ny fitakiana ny vahoaka raha tsy mivaha ny olana. Manao antso avo amin’ny tomponandraikitra any an-toerana sy aty amin’ny minisitera mpiahy izy ireo hijery akaiky ny toe-draharaha satria mampikatso ny fampandehanan-draharaha izany.
Randria




