Kly Randrianirina Michaël : « Avelao hiasa ny mpitondra »

Nitohy tany Toamasina ny fidinana ifotony nataon’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, omaly. Anisan’ny nambarany, tamin’izany, ny momba ny fitantanana ny firenena.

«Avelao hiasa aloha ny mpitondra fa ho­tsaraintsika amin’ ny asany. Efa nisy asa maromaro vita tao anatin’ny roa volana fa mbola betsaka koa ny miandry », hoy izy. Ani­san’ny notsindriny manokana, tamin’izany, ny fiatrehana ny ady amin’ny kolikoly. Hialana ny toe-tsaina tia kolikoly, araka ny namba­ra­ny. Nenta­niny ny rehetra mba tsy hanatitra na hanome vola ireo mpi­asam-panjakana fa raisin’izy ireny foana izany. Nohitsiny fa efa nomena tambiny sy nampiakarina 14% ny karaman’ ireny mpiasam-bahoaka ireny. « Ao­ka isika tsy hanazatra ny olona amin’izany. Mila miova toe-tsaina isika fa anisan’ny fanavaozana voalohany amin’ ny fitantanana ny ady amin’ny kolikoly », hoy ihany izy.
Anisan’ny nambarany koa fa tsy maintsy ahitana vahaolana ny delestazy. Nanon­ta­niany ny mpiasan’ny Jirama tahaka ny nataony tany Anta­laha farany teo ny olana. Tahaka izany koa ny amin’ny tokony hijerena vahaolana, miainga amin’ny ezaka hita maso.
Natsidiny fa ilaina ny fa­me­renana tamberim-bidy amin’ ireo kaominina, anisany ny tetikasa Ambatovy.

Tsy giazana aty amin’ny foibe ny tombontsoa

Tahaka izany koa ny ha­nanganana toeram-panofa­nana fanamoriana fiaramanidina ao Toamasina sy ny ivontoerana ho an’ny asa sy ny fandraharahana natao ho an’ny tanora. Nitohy tamin’ny fizarana fanampiana ho an’ ireo sembana sy marefo tany an-toerana izany ka nizarana kojakoja ilaina amin’ny fiai­nana andavanandro (PPN), niarahana tamin’ny minisitry ny Mponina, Rahariniriana Sido­nie. Nojerena koa avy eo ny asa vita ao Barikadimy, toy ny fanatsarana ny jiro sy ny rano amin’ny toeram-pone­nan’ny mpianatra. Ny fanavaozana ny lycée any an-toerana sy ny nanomezana fitaovana fitiliana ho an’ny laboratoara ao amin’ny hopitaly.
Nifampidinika amin’ireo tanora koa ny filoham-panjakana, anisan’ny nambarany tamin’izany fa ilaina ny fampiharana ny fisinjaram-pahe­fana tena izy. « Tsy tokony hogiazana any amin’ny fitondram-panjakana foibe intsony ireo tombontsoa samihafa », hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: