Lehilahy sivy indray voasambotra teto Antananarivo, omaly. Tratra nanendaka vao maraina tetsy Sabotsy Namehana, distrikan’Avaradrano, ny iray. Lehilahy roa hafa voasambotra tetsy Analamahitsy, tamin’ny 12 ora atoandro, voarohirohy tamin’ny fitazomana sy fidorohana zava-mahadomelina. Nahitana fonosana rongony miisa 18 teny amin’izy roa lahy nandritra ny fisavana.
Lehilahy miisa enina voasambotra tetsy Behoririka, noho ny halatra sy fanendahana. Raha ny fantatra, efa mpamerin-keloka amin’ny asa ratsy toy ny harom-paosy, fanendahana miharo herisetra izy ireo. Efa nokarohina efa ela ary izao sarona izao. Nentina avy hatrany teny anivon’ny SUT eny amin’ny Kaomisaria foibe Tsaralalàna izy ireo hanohizana ny fanadihadiana.
Nampanantsoina teny anivon’ny Police judiciaire Toamasina ilay zazalahikely vao enin-taona monja sy ny ray aman-dreniny. Antony hanenjehana azy ny filazana fa nanolana ankizivavy 11 taona tany Ambodilazana. Raha ny fanazavana voaray, endrikendrika ny nahazo ity zazalahikely ity fa tsy nahavita izany izy.
Nigadra valo taona an-tranomazina ilay raim-pianakaviana nahavita nanolana ankizivavy 19 taona, manana fahasembanana ara-batana sy ara-tsaina tany Ambalanirana Tsiroanimandidy, afakomaly. Nandoa honitra mitentina 3 tapitrisa Ariary ho an’ny fianakavian’ny niharam-boina ihany koa izy io. Nilaza ho afapo tamin’ny valin’ny fitsarana ny mpitory ary mankasitraka ny didy navoakan’ny mpitsara.




