Namana aloka

 

“Rava iray minitra izay naorina herintaona”, hoy izay mpanoratra iray izay. Fa izay rava iray minitra, mety mila herintaona vao voaarina. Na mihoatra noho izany aza… Izay no maha zava-dehibe ary tena ilaina ny tolo-tanana amin’ny fanarenana ny fahavoazana noho ny fandalovan’ny rivodoza roa nifanesy teto Madagasikara farany teo. Amin’izany, nisy vahiny vaky vava fa vitan’ny Malagasy izay. Nahoana? Noho ny fihavanana: arahaba soa, arahaba tsara… Tsy ny loza, sanatria, no mahafaly, fa ny firaisankina, ny fanomezan-tanana, ny fihavanana… Manao tsy omby aloha ny fidinana any ifotony: fitondrana fanafody sy fitsaboana, ny fanarenana ny simba sy ny fanadiovana, ny fanolorana sakafo sy fitaovana…
Mbola hafa ihany ny Malagasy!
Eny, na ao anaty fahasahiranana aza: ny fo manolotra no zava-dehibe. Fiaraha-mizaka izay mahazo. Nefa tanàna, hono, tsy ilaozan’adala? Misy ny manararaotra amin’ny sitrany ahay. Sanatria, mibitaka amin’ny fahavoazan’ny hafa. Tsongoy fon-tena, tsongoy fon’olona. Manararaotra manondrotra vidin’entana, ohatra, manodinkodina fanampiana, na manao zara vilana… Manao vain-drahalahy tsy maharary? Ilaina ny fifampitokisana amin’izay atao. Saingy tsara koa ny mifanara-maso sy mifampiteny imaso hisorohana ny fifampiahiahiana. Fanavaozana ilaina izay amin’ny fanarenana sy fanorenana izay rava? Tsy vita mora fa azo anaovana tana-maro.
Amin’ny fotoan-tsarotra toy izao indrindra no tena ahalalana sy anavahana ny tena havana sy namana. Tsy namana na havana aloka: rehefa mibaliaka sy tsara ihany ny andro vao mipoitra amin’ny maha aloka azy. Rehefa mety sy tsara izay atao izany. Rehefa maizina andro na ao anaty fahasahiranana ny tena, tsy hita fa manjavona ho azy ny namana aloka. Sanatria izany…

R. Nd.

Partager sur: