Mbola sarotra hampitan-kafatra sy resena lahatra ny Malagasy. Tsy tsara loatra ny tolotra maimaimpoana ? Manome takalo hasina hatrany ny Ntaolo teo aloha rehefa nahita soa tamin’ny olona iray. Noho ny «fiainana sarotra», ankehitriny. Mandositra sy manalavitra azy io ny tontolon’ny zavakanto amin’ny ankapobeny. Lehibe amin’ireny ny fampianarana ny kolontsaina. Maro be ny Malagasy no mikaroka fatratra ny fampianarana tsy misy sarany raha vao kolontsaina na zavakanto malagasy no tiany ho hay.
Harena ny fahasamihafana. Raha niaina azy io ny fiarahamonina fahiny, nilamina tsara. Nifanaja, nifanampy, nifanome tanana… Taty aoriana, niova ho «zarazarao hanjakana» izy io ka nataon’ny vahiny izay hisian’ny tombo sy hala. Nomen-dry zareo aina fatratra ny hanisy hantsana mampisaraka ny Malagasy tsirairay… Raha te hahita fandrosoana, mila miverina amin’ ny harena ny fahasamihafana ny ankohonana, fiarahamonina ary ny firenena iray manontolo.
Fa maninona no tsy miteny ny manam-pahaizana sy ireo manana porofo ? Firenena iray nandalo fifamadibadian’ny tantara i Madagasikara. Ny mahavariana, anefa, saika tsy tazana milaza na maneho ny heviny momba azy ireny ireo sokajin’olona ireo. Tahotra sa… ? Raha mbola ela figadona sahala amin’ izany ny fanazavan’ny manam-pahaizana sy ireo manana porofo. Ho sarotra ny fanarenana an’i Madagasikara, satria, ho lany andro «hitady ny very».




