INDRAY MIJERY

Nampahafantatra ny minisiteran’ny Faha­salamam-bahoaka fa efa tonga ny vaksiny BCG ary efa ao anatin’ny fitsinjarana azy ny ekipan’ny minisitera mpiahy. Hiparitaka amin’ireo tobim-pahasalamana mahazatra izany mba hisitrahan’ireo zaza ny fatram-baksiny ilainy. Natao ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny 11 volana ity vaksiny ity.
Fampahafantarana ho an’ireo mpampanofa fahafinaretana ara-nofo momba ny ady amin’ny MPox no natao tao Farafangana, faritra Atsimo Atsinanana. Tanjona ny hampitombo ny fahafahan’izy ireo misoroka ny aretina. Miisa 29 ireo nanatrika ny fampiofanana. Izy ireo indray no hampita ny fahalalana amin’ireo namany hafa.
Notokanana omaly, ny ivontoerana American Space vaovao ao Fianarantsoa. Ny onive­rsi­ten’­ Andrainjato rahateo no mandray ny fandaharanasa maro tohanan’ny masoivoho amerikanina. Ahitana manampahaizana amerikanina amin’ny fampianarana teny anglisy rahateo manolo-tsaina ny sampam-pianarana teny anglisy. Eo koa ny fiaraha-miasa amin’ny Stony Brook University, oniversite lehibe eo amin’ny sehatry ny fikarohana any Etazonia. Ity farany izay efa ela no nanao fikarohana ao amin’ny valanjavaboaharin’i Ranomafana, tsy lavitra an’i Fianarantsoa.

Partager sur: