Nanamafy ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanodinkodinam-bola ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, izay mifanindran-dalana amin’ny Vina apetraky ny Fitondrana Fanavaozana ankehitriny.
Fantarina sy fakafakaina ireo banga na fahalemena mety hitarika any amin’ny kolikoly ao amin’ny paik’ady arahina rehefa mamoaka fanampiana ara-bola ho an’ny sekolim-panjakana ambaratonga garabola sy voalohany.
Ireo solontenan’ny FEFFI avy ao amin’ny Cisco Toamasina I sy ireo teknisiana avy amin’ireo foibem-pitondrana eo anivon’ny minisitera foibe no nandray anjara tamin’izany.
Tanjona ny hamantatra sy hitrandraka ireo mety ho lesoka sy trangana kolikoly sy fanodinkodinam-bola amin’ny dingana rehetra manomboka any amin’ny fikirakirana ny vola ao amin’ ny minisitera foibe ka hatrany amin’ny fahatongavany eny anivon’ny sekoly.
Eo ihany koa ny hametrahana fepetra hentitra hisorohana sy hamongorana tanteraka izany tranga izany.
Mahatratra 57 lavitrisa Ariary ny tetibola natokana ho fanampiana ara-bola ho an’ny sekolim-panjakana ambaratonga garabola sy voalohany tamin’ity taona 2026 ity. Raha ny zava-misy hita anefa dia potika ny sekoly ary zara raha misy ny asa fampandrosoana mandeha eny anivon’izy ireny.
Tatiana A





