Miova vao manova  

Fanovana no hoe imasoana amin’izao? Na fanavaozana… Tsy afa-bela amin’izany ny tontolo politika. Izay tontolo politika izay aza no anisan’ny mahatonga ny krizy politika miverimberina, raha ny fijerin’ny mpandinika sasany. Eny, na eo aza ny rafitra, ny lalàna, ny fomba fiasa… Amin’izao hoe fanavaozana izao, misy ny manao adisisika mafy ny tsy hamelana intsony ny hoe tsy miankina na mahaleo tena hirotsa-kofidina. Nahoana tokoa no niha nahazo vahana izy ireo amin’ny sehatry ny tontolo politika? Tsy tongatonga ho azy izay. Misy antony fototra sy fositra ao.
Anisan’izany, ohatra, ny tsy fisiana ideolojia politika intsony amin’ny ankamaroan’ny antoko politika: tsy misy fitaizana, tsy misy tanjona mazava… Fihazakazahana amin’ny fifidianana no zava-dehibe sy mahamaika: fahazoana seza. Anisan’ny mahabe tsy andraofana ny antoko politika maniry toy ny anana izay? Raha misy ny ideolojia, miaraka izay mitovitovy… Saingy tsy voafehin’izany ny mpikambana, fa mirotsa-kofidina raha vao voailika an-toerana: mandeha amin’ny anarany manokana. Misy mihevitra ny antoko ho fananany manokana na ifandovan’ny vady aman-janany?
Tsy tongatonga ho azy koa ny fifidianan’ny olom-pirenena ny tsy miankina na mahaleo tena mitaha amin’ny mpanao politika na avy amin’ny antoko. Tsy fahatokisana no antony: tsy manana ideolojia fa mivadibadika, manao ny hafa ho tohatra fiakarana fotsiny, mora manadino izay nifidy azy… Raha tena hanova ny tontolo politika sy ny fomba fanaovana politika ny mpanao politika, mila miova vao manova. Inona marina, ohatra, no ideolojia ijoroana sy iadiana? Mila tezaina ny mpikambana hahazaka ny fitsipika mifehy ny antoko. Mby aiza amin’ity hoe fanovana na fanavaozana?

R. Nd.

Partager sur: