Anisan’ny nahaliana sy nahasarika ny mpahay habakabaka ny omaly tolakandro. Vanim-potoana tsy fahita firy ny diavolana fenomanana tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Nidorehitra mena ny volana izay nifanandrify tamin’ny masoandro sy ny tany. Filaharana izay tsy fahita firy eny an-danitra ambony eny.
Mifono zava-dalina ho an’ny sokajin’olona mino ny vintana sy anjara izany, indrindra ny mpandalina tononandro. Maro no niandrandra fahagagana sy fahatsaram-piainana vokatry ny fitahian’ny zavaboahary. Betsaka no nanao fombafomba sy fihetsiketsehana ara-pinoana ho fanamarihana izany. Misy ny nikarakara vatana sy fanahy ho mendrika ny anjara fahasoavana…
Teto Madagasikara, izay tsy nahita mivantana izany dia samy nihevitra azy ho toy ny tsy misy. Ny nahafinaritra dia ilay toetr’andro nafana tanaty masoandro nibaliaka. Nazava tsy nisy toa azy, manga nahafinaritra ny lanitra. Nofaranan’ny erika manify dia manify toa roram-piso izany mialoha ny filetehan’ny masoandro, hidiran’ny haizina tsikelikely. Nangatsiatsiaka, nampisinda ilay hafanana nankarary an-doha.
Zava-dehibe, tsy azo tsinontsinoavina amin’ny fiainan’ny zanakolombelona ny lamin’ny natiora sy ny firindran’ny zavaboahary. Mifameno ny ety an-tany sy ny eny an-danitra. Raha misy ny tsy mirindra, mazava ho azy fa rodana anatin’ny indray mipi-maso ny « aina ». Midika izany fa mila mahay manome hasina izay ivelan’ny maha olombelona azy ny zanakolombelona.
r.r




