Mizotra tsimoramora

 

Niaraha-nahita fa efa tafapetraka any amin’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena ny tondrozotra ho enti-mitondra ny Tetezamita, misahana ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara. Mazava ny resaka fa amin’ny herintaona ny fifidianana izay ho filoham-pirenena. Nokendrena hifanitsy amin’ny fahataperan’ny fotoam-piasan’ny fitondrana teo aloha ihany. Hahazo filoha lanim-bahoaka amin’ny fifidianana ny Malagasy.
Araka izany, vanim-potoana hiomanan’izay manam-paniriana hilatsaka hofidiana sahady izao. Dieny izao izay kandidà dia efa mametrapetraka ny lamina sy mikarakara ny antontan-taratasiny mba ho ara-dalàna. Azo sorohana ny mety ho fanilihana amin’ny fotoana farany. Ny tsy mahaloa hetra, afaka mamita ny tsy vita, ny manana raharaha sadasada afaka manadio izay tokony ho diovina. Mila miala amin’ilay fahazaran-dratsy: mikoropaka amin’ny fotoana farany.
Iaraha-mahalala fa efa mandeha izao ny kajikajy politikan’ny antoko lehibe. Nampiseho izy ireo amin’ny tsy fanekena sahady ny tsy miankina hofidina. Tetikadim-panilihana sy tsy fanajana ny zon’ny olom-pirenena, anatin’ny tany voalaza fa demokratika izany. Fanaovana tsinontsinona ny zo fototra sy ny Lalàmpanorenana. Ekena fa misy ny lalàm-pifidianana, lalàna manokana, kanefa tsy tokony hivaona amin’ny tombontsoan’ny besinimaro izany.
Fanavaozana izao, fiovana no dikan’izany. Tsy fanaovana didin-kofehy lehibe fa fijerena izay mahasoa ny rehetra. Tsy tokony ho baikoin’ny tombontsoa manokana satria karazan’ny mandrora mitsilany ihany ny fanaovana izany.

r.r

Partager sur: