Tsy misy kononkononina

 

Mahagaga ny fanakianana miely etsy sy eroa amin’ny ho fifantenana izay handrafitra ny governemanta faharoan’ny Fanavaozana. Tsy misy zavatra afenina na kobonkobonina anefa, satria, toy ny mahazatra dia misy hatrany ny fandraisana mivantana ny antontan-taratasy eny Mahazoarivo. Misimisy ny olona terem-panahy tsy miandry antso na dokambarotra fa manam-piniavana manatitra. Ny fitiavan-tanindrazana rahateo tsy mila andraso andraso.
Mazava ho azy fa tompon’ny teny farany ny Filoha sy ny Praiminisitra. Samy olon’ny fisokafana ireo, tsy manisy tombo sy hala. Raha mijery akaiky ny fanendrena ity farany isika dia mahita tsara fa sady nanaja Lalàmpanorenana izany no nahitana taratra ny fizakan-tenan’ny mpitondra manoloana ny tsindrin’ny mpanao politika. Tombanana ho tahaka izany ny fametrahana izay mpikambana amin’ny governementa. Anisan’ny hanafaingana ny fomba fiasa tsy mifampiandriandry. Misy amin’ny mpanao politika rahateo no tsy maika hiasa fa maika hahazo seza fotsiny.
Raha olom-pirenena resy lahatra amin’ny fitiavan-tanindrazana aloha dia tokony tsy hihambahamba hanohana ny fijoroan-dry Kolonely, hametraka manokana izay hitany fa hampandeha ny raharaha. Fositra teto hatrizay ny resaka anjara mofomamy na ny « quota ». Na mpanohitra na mpanohana rehefa hita fa mampikatso dia mendrika hailika. Raha madio fo sy vonona hampihodina ny raharaham-panjakana kosa, tokony hampidirina an-dapa.
I Madagasikara no jerena amin’izay. Tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fahaiza-mitrandraka ny fahasamihafana. Ity farany izay harembe azo hakan-tombony raha hain’ny mpikirakira politika ny milalao azy. Matoa nataon-janahary samy amin’ny lohany, misy dikany. Ny fiolonolonana no rangory fototry ny afo manimba matetika. Mila mahay manokatra varavarana sy miala amin’ny mahazatra.

r.r

Partager sur: