Efa eny antsisin-kianja indray aloha izay vonona hilalao. Samy manao ny fanafanam-batana sy ny fikojakojana moraly. Vitsivitsy rahateo no ho voafantina. Ny tompon’ny teny farany rahateo efa nametraka ny fitsipi-dalao: « choc choc ». Izany hoe, ekipa maherihery sy aingam-pandeha no ho eo. Tsy mpanao daka an-jorony fotsiny, na mpanimpinimpy baolina. Ilay mahay taktika sy paikady, mahay mampidi-baolina amin’ny fomba rehetra no ilaina.
Fandresena ny tanjona, tsy manam-pidiny afa-tsy izay ny kapitenin’ny ekipa sy ny mpiara-miasa aminy. Raha te hilamina sy hiaina am-pilaminana aorian’ny « Tetezamita ». Tsy maintsy milatsaka ho anisan’ny ho fidina izy ny taona 2027 rehefa tsy te hanara-dia ny sasany any an-tsesitany. Tsy maintsy ny kapiteny io fa tsy hoe olona milaza fa itokisany. Efa misy manko ny mivavaka mafy mba hisy fahagagana hampikatso azy. Sitrany ho mpisolo toerana hiakatra laharam-boninahitra.
Mialoha izay, hita fa efa voasivana tsikelikely aloha ny mitady lalana hidirana amin’ny ekipa. Efa hay rahateo fa efa tsy maintsy misy ny lisitra vitan’ny « henjana » mialoha. Ny fombafomba, izay tsy hita ny maharatsy azy kosa, tsy hiadian-kevitra, tsy maintsy hatao. Ny ambiny manaraka tsimoramora eny ihany. Ny fiovana tsy nahy sy tsy ampoizina mandeha tsikelikely eny ihany. Ny vondrona sy hery hafa koa mbola tsy maintsy misisitsisika eny foana. Tsy misy mivanaka izany, fa izay azo atao dia atao avokoa. Tsy misy mangidy tsy andramana!
Ny azo antoka, olona hanaraka baiko sy lamina avy any ambony no hisafidianana. Manana ny traikefa sy fahaiza-manao kosa anefa fa tsy ampy intsony ilay hoe « tsy forongony ». Olana iray anisan’ny mampikatso lava an’i Madagasikara mandraka izao manko izay. Namako, ekipako, havako na an’i madamako, sns, ireto fepetra farany ireto matetika no vainafo mahamay eo ambony lohan’ny mpanazatra sy ny kapitenin’ny ekipa. Vidian-dafo amin’ny ora tsy ampoizina.
r.r




