Cité Ambohipo : Naato ireo fanorenana tsy ara-dalàna

Manohy ny asa fampitsaharana ireo fanorenana tsy ara-dalàna ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Naato avy hatrany ireo trano miorina tsy manana fahazoan-dalàna eny Ambohipo, izay tafiditra ao anatin’ny faritra fonenan’ny mpianatra, omaly.
Nandritra ny fidinan’ny filohan’ny delagasionina manokana teny Ankatso sy Ambohipo, ny zoma lasa teo, no nahitana ireo fanorenana tsy nahazoan-dalana ireo ka nandraisana izao fepetra izao. Niverina nidina teny an-toerana avy hatrany, taorian’izay, ny ekipan’ny CUA, niara-niasa tamin’ny Croua nampihatra ny lalàna fampitsaharana ny fanamboarana.
Tsy ekena ny gaboraraka ary hitohy ny fitsirihana sy fandraisana fepetra manoloana ireo tsy fanarahan-dalàna, hoy ny avy amin’ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo.
Matetika hisehoana fanorenana tsy ara-dalàna eny an-toerana. Goragora ny fanaraha-maso ka efa mijoalajoala ny haavon’ny trano vao midina ifotony ny tomponandraikitra. Tsy tena misy anefa ny fandrodanana fa fampanarahan-dalàna amin’ny fandoavana ny vola tokony haloa amin’ny fanorenana fotsiny ihany dia milamina ny raharaha. Lasa fananan’olon-tsotra ny ampahany amin’ny faritry ny Cité an’ny mpianatra.

Tatiana A

Partager sur: