Nanome fitaovana ilain’ireo tobim-pahasalamana manerana an’i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny tetikasa MCGL, i Etazonia. Nahitana lamba azo averina ampiasaina hisorohana ny areti-mifindra, ho an’ny tobim-pahasalamana fototra (CSB) miisa 1 000 izany. Manampy izay ny lamba tsy afaka averina ampiasaina ho an’ny hopitaly miisa 35 miampy ireo fitaovana natolotra. Eo koa ny fitaovam-piasana ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana ilaina amin’ny fanarahana sy fandrindrana ny fandraisana an-tanana ireo marary.
Vokatra andrasana amin’ izany ny fiterahana azo antoka kokoa, ny fisorohana ny areti-mifindra ary ny fanatsarana ny rafitra fitantanana angon-kevitra momba ny fomba fiasa. Midika izany fa hihena ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza, indrindra any amin’ireo faritra ambanivohitra sy saro-dalana.
Manampy amin’ny fiatrehana ny aretina sy ny fisorohana ny fihanaky ny areti-mifindra tsy hipaka hatrany amin’ny sisintany amerikanina ny rafi-pahasalamana matanjaka, ka hahatonga ny firenena roa tonta ho azo antoka kokoa.
Hentitra ny fanaraha-maso ity fanampiana vonjimaika sy efa voafaritra ho an’ireo tena mila azy ity mba hiantohana ny tamberin’andraikitra amin’ny mpandoa hetra amerikanina. Ny fanampian’i Etazonia dia sady manampy an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao no mikendry ny hanohana azy ho lasa firenena mahavita tena sy tsy miankindoha amin’ny fanampiana avy any ivelany.
Tatiana A




