Notontosaina omaly, teny Fiadanana, ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ny fanjakana koreanina ho fanatsarana ny fampianarana niomerika.
Nanolotra fitaovana informatika mitentina 400 000 dolara ho an’ny oniversite enina eto Madagasikara ny masoivoho koreanina miasa eto Madagasikara, omaly, teny amin’ny foiben-toeran’ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, eny Fiadanana. Oniversitem-panjakana telo sy oniversitem-paritra telo hafa no hisitraka ny fampitaovana. Ahitana imprimante, écran, ordinatera, tablette… “Efa miara-miasa amin’ny oniversiten’Antananarivo, amin’ny alalan’ny ESPA Vontovorona, koa ny masoivoho koreanina ary hiitatra amin’ny oniversite hafa izany”, hoy ny minisitry ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy.
Miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony mizara ireo “ordinateur portable réconditionné” ho an’ny oniversite manerana ny Nosy. Mbola manao antso fiaraha-miasa amin’ny mpiray ombon’antoka samihafa ny minisitera, indrindra ho an’ny lafiny fikarohana.
Nitsidika tanàna lehibe sy onivesite maromaro ny masoivohon’i korea eto amintsika, Park Jihyn. Anisan’izany ny ESPA Vontovorona, Toamasina sy Mahajanga ary hitany fa sahirana ny tontolon’ny fampianarana ka nandrisika ny masoivoho hampitaovana ny oniversite. “Tanjona ny hanampy amin’ny fanavaozana ny tontolon’ny fampianarana ambony amin’ny fitaovana maoderina hampahomby azy”, hoy ny masoivoho. Manomboka eto ny vina miorina amin’ny fahaiza-manao ho an’ny tanora malagasy satria afaka mampivoatra ny mpianatra ny teknolojian’ny fahampahalalana.
Ankoatra ny fampianarana, manohana ny fanjarian-tsakafo any Atsimo sy ny tontolo iainana eto amintsika ny fanjakana koreanina.
Vonjy




